Kolontsaina Malagasy mampisongadina ny Tsiron’ny Fihavanana sy ny Soatoavina Malagasy
Ireo Kolontsaina Malagasy:
Tsiron’ny Fihavanana sy Fampisongadinana ny Soatoavina
Fantaro ny kolontsaina malagasy: hira gasy, famadihana sy ny vary be menaka,
kabary, sambatra ary ireo fomba amam-panao mampisongadina ny fihavanana sy ny
soatoavina maha-Malagasy.
Sasin-teny
Ny kolontsaina
malagasy dia fitaratra mivaingana amin’ny maha-izy antsika. Tsy sakafo sy
fombafomba fotsiny izy io, fa rafitra iray mirakitra tantara, soatoavina ary
finoana. Ny fomba amam-panao toy ny hira gasy, ny famadihana,
ny kabary, ny sambatra, ary ny sakafo manokana toy ny vary be
menaka dia samy porofo fa ny Malagasy dia vahoaka manaja ny razany,
mankalaza ny fihavanana, ary mampisongadina ny maha-izy azy amin’ny alalan’ny
fifampizarana.

Hira gasy: Zavakanto mampiray sy mampianatra
Ny hira
gasy dia tsy fialam-boly fotsiny, fa fampianarana mivantana ho an’ny
fiarahamonina. Amin’ny alalan’ny hira, dihy ary kabary, dia ampitaina
amin’ny olona ny soatoavina toy ny fahamarinana, ny asa, ny fanajana.
Tamin’ny
vanim-potoana nentin-drazana, ny hira gasy dia nanangona olona teny an-tsaha,
teny an-tsena, na tamin’ny fety lehibe. Ankehitriny dia mbola hita taratra
amin’ny lanonana lehibe, toy ny famadihana sy ny fety nasionaly.
Izy no vavahady mampiray ny taranaka, mampatsiahy ny razana, ary manasongadina
fa ny kolontsaina malagasy dia mbola velona sy mivelatra.
_______________________________________________________
Famadihana sy Fitampoha: Fifankatiavana sy fanajana ny razana
Ny famadihana
na fitampoha (endriny hafa) any amin’ny faritra sasany dia famerenana razana, iray amin’ireo
fomba amam-panao malaza indrindra eto Madagasikara. Amin’ity lanonana ity dia averina
karakaraina ny taolam-ben’ny razana, ampandroina (toy ny any Menabe), sy
havaozina ny lambany (afovoan-tany), ary manodidina izany ny fianakaviana
sy ny havana.
Tsy hoe
ara-panahy ihany no lanjany, fa fotoana lehibe koa izy hanehoana ny fihavanana
sy ny firaisankina. Ny sakafo toy ny vary be menaka no tsy afaka tsy
ho hita amin’izany fotoana izany, ary mariky ny hafaliana sy fifampizarana.
Ny vary be menaka dia matetika miaraka amin’ny henan-kisoa na amin’ny akoho gasy. Tsy mihinana irery ny tompom-pety, fa zaraina amin’ny fianakaviana sy ny vahiny. Amin’ny famadihana, dia miseho amin’ny alalan’ny vary be menaka ny hatsaram-panahy sy ny fanajana ny vahiny.
Ny famadihana dia mampiseho fa ny Malagasy dia mankasitraka ny razany, manome voninahitra azy ireo, ary mitazona ny fifandraisana amin’ny lasa sy ny ho avy.
___________________________________________________________________________________
Ny kabary
dia ampahany lehibe amin’ny kolontsaina malagasy. Tsy fiteny tsotra, fa fiteny
voalanjalanja, misy fanajana sy fitsipika, izay ampiasaina amin’ny lanonana
lehibe toy ny mariazy, famadihana, na fandevenana.
Amin’ny
kabary dia ahitana:
- Teny fisaorana sy fanajana,
- Teny mampifandray ny roa tonta,
- Ary soatoavina
mampifandray ny Malagasy amin’ny fihavanana.
Ny mpikabary
na orator dia manana lanja lehibe eo amin’ny fiarahamonina, satria izy no
mampifandray sy mitondra hafatra amin’ny fomba manaja ny razana sy ny
fiaraha-monina.
___________________________________________________________________________________
Ny sambatra
dia fomba amam-panao avy any atsimo antsinanan’i Madagasikara, indrindra
amin’ny Antambahoaka ao Mananjary. Fety lehibe izy io, ataon’ny taranaka
an’arivony, ahitana famorana iombonana sy lanonana lehibe mitambatra.
Amin’io
fotoana io, ny tanàna iray manontolo dia miray hina, ary fianakaviana lavitra
sy akaiky mifankahita indray. Toy ny famadihana, ny sambatra dia mariky ny
fifampizarana sy ny fifankatiavana, ary tsy maintsy misy sakafo iombonana iarahana.
Fomba amam-panao sy fiainana andavanandro
Ankoatra
ireo fety lehibe ireo, mbola maro ny fomba amam-panao mampiavaka ny Malagasy:
- Ny fandraisana vahiny
amin’ny sakafo sy teny feno fanajana,
- Ny fanajana ny ray
aman-dreny sy ny zokiolona,
- Ny fampitana lova sy
fahendrena amin’ny alalan’ny angano sy ohabolana.
Ireo fomba
ireo dia mitahiry ny fototry ny maha-Malagasy ary mampiseho fa na dia eo
aza ny fanavaozana sy ny fiainana maoderina, dia mbola manan-danja ny
soatoavina nentim-paharazana.
Famaranana
Ny kolontsaina
malagasy dia manankarena sy lalina: avy amin’ny hira gasy
mampianatra sy mampiray, ka hatramin’ny famadihana mampifandray amin’ny
razana; avy amin’ny kabary feno fahendrena, hatramin’ny sambatra
mampiseho firaisan-kina; ary tsy adinoina ny vary be menaka izay
manambara ny fifampizarana sy ny fitiavana.
Ireo rehetra
ireo dia tsiron’ny fihavanana sy soatoavina mampiavaka ny Malagasy, ahafantarana ihany koa izany hoe Tsiron’i
Madagasikara izany.
Raha tianao hahalala ny fomba fanao amin’ny famadihana, azonao jerena amin’ny antsipiriany ao amin’ny BBC Travel .




Commentaires
Enregistrer un commentaire
Apetraho eto ny fanamarihana na soso-kevitra avy aminareo mpamaky